Ny PADESM
Firaisan'ny Tanindrana sy ny Mainty-Enindreny ary ny Karazany

(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA : Laharana faha-156, 23 Mey 1997 sy 157, 30 Mey 1997)

Ho setrin'ireo fanontaniana napetraka tamin'ny gazetintsika ary ho antsika tanora indrindra indrindra, mba tsy hihanana amam-bolony intsony, satria, ny Tantara, dia mitohy sy misy ifampitohizany hatrany hatrany, dia indro aseho eto ny mombamomba ny PADESM sy ny gazety Voromahery, gazety mpitondra tenin'ny PADESM

VOROMAHERY

Gazetin'ny Firaisan'ny Tanindrana sy ny Maintienindreny ary ny Karazany rehetra eto Madagasikara.
* Gazety niseho isan-Talata
* Andro nisehoany voalohany: 6 Aogositra 1946, izany hoe ny andro nitsingerenan'ny faha-50 taonan'ny nanapahan'ny Antenimiera frantsay ny lalàna haha-zanatany an'i Madagasikara.
* Ireo tompon'andraikitry ny gazety:
  • Directeur: RAMAMBASON
  • Directeur delégué: RALIBERA Jean Weil
  • Redacteur en chef: Elison Jean Chrysostome

Redacteur tany ampiandohana:
  • - TSIMIHETY (TSIRANANA Philibert)
  • - JEREMIE (Antanosy)
  • - TSIMISAZOKA
  • - TSIMANIRY (Paul RALAIVOAVY)
  • - BEMASO

Nanatevin-daharana taty aoriana na nanoratra indraindray :
  • - TOTOLEHIBE Félix
  • - RAVELOSON MAHASAMPO
  • - ZAFIMAHOVA Antoine
  • - E. RAMANANKAVANA
  • - RANDIMBY ALbert
  • - MAHAZOASY Gaston
  • - Pascal VELONJARA
  • - LAZANTSY Ignace
.......

Ny PADESM na Parti des Deshérités de Madagascar

Antokon'ny Firaisan'ny Tanindrana sy ny Maintienindreny ary ny Karazany rehetra eto Madagasikara.

IREO MPIKAMBANA TAO ANATINY:

Araka ny andiny faha-7 amin'ny fitsipipanorenena ity antoko ity (T.F.: dika malalaka) :
Afaka miditra, ary manan-jo tanteraka, ao anatin'ity antoko ity, ireo taranaka Tanindrana na ny anindran-tany, ary ireo Hova mainty.
Afaka manatevin-daharana koa, aorian'ny fanapahan-kevitry ny sampana, ireo mpiandany avy amin'ny karazana hafa. Kanefa, marihina tsara fa:

  • a) avy amin'io karazana io, dia tsy manan-jo hiditra ao amin'ny Komity Foibe Mpitantana, ary indrindra indrindra ho mpilatsaka hofidina tohanan'ny fikmbanana amin'ny fifidianana;
  • b) ny isa mantolon'ny mpikambana ao anatin'ity karazana ity, dia tsy mahazo mihoatra ny am-pahafolon'ny mpikambana rehetra voasoratra anarana.

TANTARAN'NY FIFORONAN'NY PADESM

Hoy Elison Jean Chrysostome (Tonian'ny gazety ) tao amin'ny gazety Voromahery laharana faha-60, nivoaka tamin'ny faha-30 Septambra 1947:
«Tsy dia niainga tamin'ny firehan-kevitra kaominista, na noforonon'ny Fanjakana ity fikambanana ity (T.F: ny PADESM). Amafisinay indray, fa tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza izahay mpamorona ity fikambanana ity. Ny hevitra nitsiry hanorenena izay fikambananay izao, ny tanjona, dia ny hanampiana ireo tsy misy mpihevitra (andikan'ny mpanoratra ny hoe: deshérités), hevitra tongatonga ho azy tao anatinay, ary hatramin'ny taona 1922 no nananay azy tany Manjakandriana,(...) toerana niasan'ny 2 taminay (ny mpanoratra sy Ramanandafy)(...)

IREO MPIARA-NAMORONA NY PADESM VOALOHANY

Ramanadafy sy Elison Jean Chrysostome no nitantara ny fiforonan'ny PADESM ao amin'ny gazety Voromahery laharana faha-48 nivoaka ny 1 Jolay 1947 ary nitondra ny lohantany hoe: HERINTAONA LASA IZAY!
Ny 15 jona 1946, Elison Jean Chrysostome, chef de bureau des chemins de fer misotro ronono sy Ramanandafy Jean, commis principal hors classe des contributions indirectes, tao amin'ny toeram-ponenen'iroa voalohany, no niady hevitra momba ny olan'ny Mainty ary nanapa-kevitra ny hananganana fikambanana mifandraika amin'izany. Notapahina tamin'izany ny hevitra, fa hatonina ny namana vitsivitsy ary harafitra koa ny fitsipipanorenena ny fikambanana. Ireto avy ireo olona hatonina:

Ny faha-17 Jona 1946, tanindrana roalahy, diso fanantenana tamin'ny fomba fihetsiky ny mpitarika ny M.D.R.M taminy, dia Paul RALAIVOAVY sy TSIRANANA Philibert no nanapa-kevitra hanatevin-daharana, rehefa notarihin-dRAMAMBASON sy RALIBERA Jean Weil. Taorian'ny fanombohana ny fivoriana, dia voafidy ho secrétaire général RAMAMBASON.

Ireto avy kosa no mpikambanana tao anatin'ny Komity mpitantana:

NY HAMBOM-PON'NY PADESM

Mbola i ELISON Jean Chysotome ihany no nanoratra izao manaraka izao tao amin'ny gazety Voromahery, laharana Voalohany nivoaka tamin'ny faha-6 Aogositra 1946, lahatsoaratra mitondra ny lohateny hoe: NY MAINTIENINDRENY SY NY KARAZANY ARY NY TANINDRANA: «(...)ireo namorona ity fikambanana ity tsy hanaiky na hety na oviana na oviana hanakalo ny firazanany amin'ny hafa. Ho tanan'izy sy ny taranany mandrakizay ny maha-mainty azy. Ireharehany izany. Voninahitra lehibe ho azy izany»

NY FANDAHARAN'ASAN'NY PADESM

RAMAMBASON, sécrétaire général-n'ny PADESM no namariparitra ny vinavian'ny ho avy ho an'ny PADESM, araka ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety Voromahery laharana faha-44 tamin'ny faha-3 Mey 1947 nitondra ny lohateny hoe: NON PAS EN ARRIERE MAIS EN AVANT: «in-draim-bava, (...) fanabeazana ny vahoaka hanofana avara-pianarana misipaka ny fanjakan'andriana, ary fitokiana omena ny vahoaka, ampianarina hahay mitantana, ny tananany aloha, ary tsikelikely ireo provansa any Anindrana, izay any aoriana hitsangana ho Fanjakana mizaka tena (etats autonomes fédérés) hiarahan'ny Malagasy sy frantsay mitondra.»

Hohitantsika eto amin'ny manaraka ny sasany amin'ny tanjon'ny PADESM.

NY TANJON'NY PADESM

Mbola araka ny lahatsoratra nosoratan'i Daniel RAMAMBASON tao amin'ny laharana Voalohany tamin'ny teny frantsay (dika malalaka) ihany ary nivoaka tamin'ny faha 6 Aogositra 1946 nampitondrainy ny lohateny hoe: POURQUOI LE PARTI DES DESHERITES? no nanoritra ny tanjon'ny PADESM :

«(...) Ny hihevitra manokana ireo TANINDRANA sy ireo TANINDRANA very faka, dia ny MAINTIENINDRENY (Andevon'Andriana) ary ireo novotsorana no antony ijoroanay. (...) kanefa, avy amin'ny fihetseham-po feno fankahalana tanteraka ireo nanandevo sy nangeja azy, dia azo antoka ny mampitrebona indray ainga vaovaon'ny ho fanavotana : mandroso sy mivoatra ny hafa, izahay koa...
Ary eo, dia izahay ihany no hitantana ny raharahanay, ao anatin'ny fianakaviana miaraka amin' ireo rehetra nitomanian'ny razambeny fa nongotana an-keriny (ny mainty) (...). Araka izany, dia hivondrona ho vainga iray tsy azo sarahina izahay (...) any aoriana, (...) hitovy lenta amin'ny hafa sy hanan-kambara koa momba ny lalampanorenanana ho avy (...)»

Nanamafy izany izany RANDIMBY Albert, talohan'ny nivakian'ny PADESM araka ity kabary nataony nandritra ny tsingerintaona voalohan'ny faha-29 Martsa 1947 ary notaterin'ny gazety Voromahery laharana faha-85 nivoaka ny faha-20 Aprily 1948, mialoha kelin'ny fisarahambazan'ny mpikambana tao anati ny :

«Tsy antoko politika ny PADESM, fa fivondronana, manao ho tanjona ny fampiakarana ny fari-piainan'ny Tanindrana avy amin'ny fampandrosoana ny fibeazany sy fianarany, ka avy amin'izany, dia adidiny ny mampikambana tsy misy fepetra ny mandray anjara feno ny fampivoarana ara-pitondra-tena sy ara-kirakira ity tany ity. Ireto teny telo ireto no ijoroany: firaiketam-po, fanoavana ary fanajana tanteraka an'i Frantsa, izay tao anatin'ny 50 taona izao dia tsy nitandro hasasarana mihitsy nampivelatra ny ity tany ity»

«KETRAK'ILA»

Tsy herintaona taorian'ny niforonany, dia efa nanomboka tsy nitovy hevitra ny samy PADESM, ka ny Maintienindreny dia nitana ny fikambanana ho fifanotronana teo amin'ny fiaraha-monina sy ny fihariana. Ry zareo Tanindrana kosa, dia efa tsy nanan-draharaha afa-tsy ny fiomanana handray ny fahefana.

Nitalaho tamin'ny rahalahiny ireo Maintienindreny ary nampahatsiahy azy ireo ny antony sy ny foto-kevitra nananganana ny PADESM araka ity lahatsoratra nosoratan'i Elison Jean Chrysostome, nampitondrainy ny lohateny hoe AOKA HAZAVA TSARA, tao amin'ny gazety VOROMAHERY laharana faha-5 nivoaka ny faha-3 Septambra 1946: «Aoka hazava tsara. Sosialy sy ekonomika ny PADESM. Tsy mikasa hanao politika izy (...) Ho anareo Tanindrana rahalahinay, (...) manipy teny aminareo izahay, toy izay nataonay amin'ny tenanay eto Imerina . Aza mivoaka ny Statuts-ntsika. Aza manao politika».

Tongotra mby an-dakana ny an'ny Tanindrana, ka raha mbola teo am-pihazana ireo Tia Tanindrazana ny vazaha, dia efa nanomana ny ho aviny tao anatin'ny «UNION COTIERE» ry zareo ary nilalao vovoka irery tena ankizy nilaozan-tsakaiza ny Maintienindreny, ka tanteraka tamin'izy ireo ny teny nataon'i TSIRANANA tamin'ny MERINA hoe: (...) «raha handroaka vazaha, rahalahiny ianao amin'io andro io, satria, ianao no harosony hiady, ianao no ataony lefona sy ampinga, fa izy kosa dia lehibe daholo (kapiteny na jeneraly mpitazana, ny sasany aza mpitan-damba), kanefa rehefa lasa ny vazaha, izy no hanjaka; izy no hiadana, fa ianao izay tsemboka sy naratra zara raha mba ataony chef du village».

NANDRESY NY PADESM

Nandresy ny PADESM, saingy tsy ny PADESM rehetra akory, fa ny Tanindrana irery, ary tsy ny Tanindrana rehetra koa, fa ny elatra «TELOMIOVA», izay tsy nifankahazo koa taty aoriana :

Dia niverina hitondra ny ampahany faharoa amin'ny Repoblika faha-III hankamin'ny Repoblika faha-IV izao indray ny elatra Velonjara/Ratsiraka Albert, saingy, niofo ho homanista-ekolojika indray.

NY M.D.R.M.

Resy sy natao haza lambo hatramin'ny taona 1947, ary mbola resy mandraka ankehitriny, afa-tsy ireo nanamby zara namadi-panekena «hihinana sy hisotro» eo ambonin'ny ràn'ireo namany nanolotra ny ainy ho FAHALEOaVANTENANAN'ity TANY ity. Kanefa tsy resy ny M.D.R.M. fa mbola eo isika taranaka tsy handrarak'ilo mby an-doha, handray sy hanandratra avo indray ny FANEVAN'NY FITIAVAN-TANINDRAZANA VAOVAO!

Ilaitangena

  Sehatr'Imerina Ny eritreritrao...